Actualités
Assemblée Générale
Antananarivo faha-16 Septambra 2013
Ho an’ny
Mpikambana ao amin’ny BIMTT
Antony : Fanamafisana fiantsoana fivoriambe
Ry namana mpikambana ato amin’ny BIMTT ,
Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’ny Tompo izahay.
Araka ny taratasy nalefa tamintsika ny 06 Jona 2013 lasa teo dia ny :
- 16-17-18-19 Oktobra 2013 ny fivoriamben’ny BIMTT.
- Ny toerana dia ao amin’ny Foibe Misiona Anglikana Santa Marka Fianarantsoa.
- Ny fiaingana hoan’ireo izay miala avy Tana ny 16 Oktobra 2013 amin’ny 8ora maraina Birao BIMTT Amparibe.
- Indro ny vinavina na lahadinika alefa ho amintsika rehetra.
Raha misy mila fanazavana fanampiny dia aza misalasala miantso ny 020 22 604 04.
Misaotra mialoha amin’ny fanendrena solontena iray hanatrika ny fivoriana.
Mametraka ny veloma samy ho tahian’Andriamanitra, tompoko.
Amin’ny anaran’ny Filoha,
PO Violette Beeton
NB: aza adino ny mitondra ny kojakoja ilainao toy fanafody fitaiza, ny lamba firakotra , sns…
VINAVINAM-PANDAHARAM-POTOANA FIHAONAMBE BIMTT
Ny 16-17-18-19 Oktobra 2013
Fianarantsoa
ANDRO 1 : 16-10-2013 |
|
8ora 00 |
Fiaingana avy Tana Birao Bimtt |
Hariva |
Fametrahana ny mpizaika |
ANDRO 2 : 17-10-2013 |
|
9ora00mn-10ora30mn |
- Fotoam-pivavahana - fandraisam-pitenenana |
10ora30mn -11ora 00 |
Fiatoana |
11ora00mn -12ora30mn |
- Fifankafantarana , - Fifidianana birao hitantana ny fivoriam-be, - Tatitra ara-moraly |
12ora00mn – 2ora00mn |
Sakafo atoandro |
2ora00mn – 4ora 00mn |
Tatitry ny asa vita |
04ora 00mn – 6ora 00mn |
Fiainam-pikambanana : - ny fanazavana ny sata fototra, - fifidianana komitim-pifidianana |
ANDRO 3: 18-10-2013 |
|
8ora 00mn – 9ora30mn |
- Programa vaovao mandritra ny telo taona - Momba ny consultant vaovao sy ny ‘ Programme Observatoire’ |
9ora30mn – 10ora 00mn |
Fiatoana |
10ora00mn – 12ora00mn |
Fifidianana |
12ora00mn |
Sakafo atoandro |
Folakandro |
Fitsidihana toerana |
ANDRO 4 : 19-10-2013 |
|
Maraina |
Fodiana |